- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe- RN 4 : Fanafihan-jiolahy, manamafy ny fiambenana ny zandary

Ankazobe- RN 4 : Fanafihan-jiolahy, manamafy ny fiambenana ny zandary

Nisy fanafihan-jiolahy tsy nahomby tamin’ny lalam-pirenena faha-4 ny alin’ny faha-16 septambra lasa teo teny Tampoketsaka eo amin’ny fizarana ny disitirikan’Ankazobe. Tokony ho tamin’ny 8 ora sy 35 minitra tamin’izay. Nosakanan’ireo olon-dratsy miisa am-polony vatobe ny lalana. Voalaza fa nitondra basy ireo bandy. Araka izany, tsy afaka nanohy ny diany ireo fiara marobe nitandrahatra fa tsy maintsy nijanona. Ireny avy handroba ireo mpangalatra. Tsy niandry ela anefa fa avy hatrany dia nitifitra ireo zandary tao anaty fiara taxi-brousse izay nanao « escorte ». Nanao tari-dositra sady namaly tifitra ireo mpanakan-dalana. Tsy nahomby ny tetik’izy ireo. Tetsy an-daniny, vao nahafantatra ny zava nisy ny lehiben’ny mpitandro filaminana ao Ankazobe dia nandefa zandary hafa hanampy ny efa tany an-toerana.  Mazava moa fa tsy nisy tratra intsony ireo jiolahy. Nalana ireo sakana rehetra ary afaka nanohy ny diany avokoa ireo fiara rehetra. Efa misokatra ny fanadihadiana ary nohamafisina ny fanangonam-baovao amin’ny fokontany rehetra manodidina.

Ny zandary avy ao Ankazobe no misahana ny fiambenana sy fanarahana ireo tandavana fiara ampolony maro  mampiasa an’iny lalana iny (voalaza fa eo amin’ny 40 ka hatramin’ny 50 fiara isaky ny miainga), isaky ny alina. Tsy miato izany fiambenana sy fanamafisana ny fiarovana izany mandra-maraina. Izao no natao dia mba hiarovana ny mpamiasa an’iny RN4 iny, hoy ny loharanom-baovao. Raisin’izy ireo manomboka eo amin’ny sisin-tany mapisaraka ny faritra Betsiboka sy Analamanga eo Ramala  ireo fiara ireo ka tsy miala izy ireo raha tsy efa eo Andranovelona. Misy toa izany koa ny mianavaratra ka mifanena an-dalana ireo tandavana fiara samy voaaro.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici