Taorian’ilay fakàna an-keriny mpianaka niseho ny tapa-bolana lasa teo, teny Ankazobe, dia fantatra izao fa nisy iray tamin’ireo jiolahy no voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Teratany malagasy ireo lasibatry ny fakàna an-keriny ireo. Votsotra ny andron’iny ihany ilay raim-pianakaviana, fa ny zanany lahy tokony ho 9 taona any ho any no notanan’ireo olon-dratsy. Nitaky vola 14 tapitra ariary teo ireo jiolahy, ho famotsarana ity ankizy ity, fa raha tsy izay dia tsy averiny io zaza io. Ny alakamisy teo, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao no nanaterana sy nanomezana ilay vola tany amin’ny toerana efa notenenin’ireo olon-dratsy ireo. Mba nitana ny teniny kosa tetsy andanin’izay ireo jiolahy, ka namotsotra soa aman-tsara ilay zaza, izay raha ny vaovao voaray hatrany dia salama tsara, eny fa na dia teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy aza. Vantany vao vita anefa ny fifanarahana, izay niarahana tamin’ny mpitandro filaminana hatrany, dia nisy vaovao azon’ireo farany, nilaza tampoka fa mihaodihaody any an-toerana ny iray tamin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny. Araka ny fampitam-baovao hatrany, dia izany antsoina hoe André izany izy io ary monina sy mipetraka any Ampahibe, kaominina Ambatomanoina. Sendra namangy ny sipany tao Ankazobe izy io no hitan’ny olona. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Raha vao nahatazana an’ireto zandary kosa ity jiolahy ity, avy hatrany dia namaly bontana. Velona ny fifampitifirana. Fotoana fohy ihany anefa dia nilavo lefona ity olon-dratsy ity. Sarona niaraka taminy tamin’izay, rehefa natao ny fizahana tao an-tranony, ny bala telo, niaraka tamin’ny ody gasy maromaro. Notanana avy hatrany sy nentina natao fanadihadiana ity lehilahy voatondro ho mpaka an-keriny ity.
m.L