Nandriaka indray rà tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny harivan’ny alahady lasa teo. Fiara mpitatitra, « Sprinter » avy amina koperativa iray mampitohy an’Ambanja sy ny Renivohitra no nivadika teo amin’ny PK153, distrika Ankazobe. Vokany, olona roa no namoy ny ainy avy hatrany, raha mpandeha miisa 12 kosa no naratra mafy vokatr’izay. Ilay fiara kosa potika tanteraka, araka ny angom-baovao azo.
Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva tany ho any no nitranga ny loza. Avy any Ambanja handeha hitodi-doha hihazo ny renivohitra ilay fiara no nanana olana ara-teknika tampoka, teo amin’ny tanana antsoina hoe Ambatomahamanina, fokontany Tsiazokiraro, kaominina Tsaramandroso. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa nilaozan’ny hisatra ity fiara mpitatitra ity, kanefa hiditra fiolanana. Tsy voatana intsony araka izany ny familiana ka dia nivarina tamina sisiny ankavanana ny lalana ilay « sprinter ». Ary tsy vitan’izay anefa fa mbola nidona tamin’ny rindrin-tany ihany, izay vao nivadika. Mafy dia mafy ny dona nahazo izay heverina fa mety ho tao anatin’ny fandehanana mafy ihany koa. Mpandeha roa no voatsindrin’ny seza sy ny korontana tao anatiny ary maty tsy tra-drano. Lehilahy avokoa izy ireo : ny iray 36 taona, izay avy any Vohemar, nikasa hiakatra aty Tana, ny kosa 43 taona ary mponina eto an-drenivohitra. Maro tamin’ireo mpandeha kosa no naratra mafy vokatr’izay loza mahatsiravina izay, ary efa samy nentina novonjena nihazo ny toeram-pitsaboana ao Ankazobe avokoa. Nidina teny an-toerana avy hatrany moa ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny : ny zana-tobi-paritry ny zandary ao Manerinerina, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanampy ireo fokonolona teny an-toerana tamin’ny famonjena ireo naratra sy ny fisokirana ny vatana mangatsiakan’ireo namoy ny ainy. Nosokafana teo ho eo no ihany koa ny fanadihadiana mahasika izay tranga izay.
m.L