- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Sprinter nivadika, maty ny mpamily

Ankazobe : Sprinter nivadika, maty ny mpamily

Nivadika teny Ambatomahamanina Ankazobe, teo amin’ny PK 99+500, ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany teony sprinter iray. Maty tamin’izany ny mpamily ary olona roa hafa naratra. Avy any Marovoay ho aty Antananarivo izy io izao niharan-doza izao. Nitondra gony miisa 51 isa izy io, ary niala lalana rehefa nidona tamin’ny riram-bato tao anaty fiholanana mampidi-doza. Vokatr’izay, naratra avokoa ireo olona telo tao anatiny, ka namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ny mpamily vokatry ny ratra nahazo azy. Mbola manaraka fitsaboana kosa ireo roa hafa niaraka taminy. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana, sady nanampy ireo fokonolona tamin’ny famonjena ireo traboina. Ny fiara potika tanteraka, ny entana very, saingy mbola nisy azo nalaina kosa anefa. Raha ny fanazavana, vokatry ny tsy fitandremana ny loza. Efa toerana isehoan’ny lozam-pifamoivoizana matetika rahateo ny eny Ankazobe iny. Mazàna ireo taksiborosy no tena tratran’izany. Mila fitandremana hatrany, indrindra amin’izao fisokafan’ny lalana izao.

 

Yv Sam

 

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici