Tapaka hisitra ity takisiborosy ka nifatratra tany amina rindrimbato. Fiara Sprinter iray mampitohy an’Ambilobe amin’Antananarivo no mamoa-doza ny alatsinainy lasa teo tany Ambatomahamanina Ankazobe. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro dia tratran’ny olana teknika ity fiara iray ity. Tsy voafehy intsony teto ny familiana ka nivily lalana nakany amin’ny rindrimbato teo akaiky ny fiara. Noho ny hamafin’ny fifandonana dia olona folo indray naratra tamin’ireo mpandeha. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa ilay fiara no nahitana fahasimbana. Noentina notsaboina teny amin’ny tobim-pahasalamana teny Ankazobe avy hatrany moa ireto naratra fotoana fohy taorinan’ny nitrangan’ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fitsirihana ny zava-nisy ny mpitandron’ny filaminana. Nisesisesy tato ato ny lozam-pifamoivoizana ataon’ny takisiborosy. Voatonona foana amin’izany ny sprinter ka mila ny mitandrina ireo mpamily mba tsy hisian’ny loza aharatrana mpandeha tahaka ity nitranga ity. Ny zandarimaria avy ao Ankazobe ihany no nandray an-tanana ny raharaha ka nanatanteraka ny famotorana.
Kanto R. (Stagiaire)