Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizina tany Ankazobe ny zoma lasa teo. Teo amin’ny RN4 PK 90+200, Ambohimarina, Ankazobe. Voalazan’ny zandary fa tao amin’ny lalana mahitsy vita tara, anaty tanàna no nisehoan’ity loza ity. Fiara fitateram-bahoaka iray, sprinter, avy any Mampikony ho aty Antananarivo no niala ny lalana ka nihilana teo amin’ny ankavanany. Tombanana ho vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, izay vao 21 taona monja. Araka ny filazan’ny zandary dia fandehanana mafy, tsy fahampian’ny torimaso, ary tsy fisian’ny mpamily faharoa mpanampy azy. Mpandeha miisa enina no naratra mafy ka zaza madinika avokoa ny efatra, izay 14, 8, 3 ary 2 taona. Tsy maintsy nentina namonjy hopitaly lehibe tao Ankazobe ireo naratra. Nahitana fahasimbana goavana ihany koa ny fiarakodia. Misokatra avy hatrany ny famotorana ataon’ny zandarimaria Ankazobe. Fotoana isehoan’ny lozam-pifamoivoizina amin’ny lalam-pirenena izao fialan-tsasatra izao. Maro ny mpandeha miala sasatra, indrindra ho an’ny taksiborosy. Manoloana izany, manao hetsika ny zandary sy ny DGSR amin’ny RN4 sy Mahajanga mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizina. Ho hentitra ny fanarahan-maso ny fiara sy ny fanentanana ny mpamily amin’izany. Ny mpamily koa andaniny, ilaina ny fahatongavan-tsaina sy fitandremana amin’ny asa ataony.
Yv Sam