
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, tetsy Ankazobe, omaly. Fiara fitateram-bahoaka iray no niharan-doza. Vokany, iray no maty tsy tra-drano, roa hafa tsy nahatsiaro tena ary mpandeha valo no naratra. Raha ny angom-baovao voaray dia tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany maraina teo no nitranga ny loza. “Heverina fa mety ho tratry ny torimaso fotsy ny mampily, antony nahatonga ny loza…” hoy ny tomponandraikitry ny zandary tany an-toerana, azo an-tariby. “.. saingy mbola vinavina ihany izy satria mbola tsy afaka manokatra fanadihadiana izahay hatreto : anisan’ireo naratra mafy ary mbola tsy nahatsiaro tena ny mpamily” Taxi-brousse mampitohy an’i Mahajanga sy Antananarivo ity fiara niharan-doza ity omaly ity ary handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra. Mpandeha 17 no tao anatiny. Ny folo naratra mafy ary nentina novonjena haingana nihazo toeram-pitsaboana. Vehivavy iray kosa no indrisy fa namoy ny ainy tao anatin’izany loza izany raha ny fanazavana azo hatrany. Marihana moa fa anaty fiolanana no sady fidinanana no nitrangan’ity loza ity. Ary raha ny fahapotehan’ny fiara dia hita fa somary nandefa mafy ihany ny mpamily. Nivoaka ny lalana araka izany ilay sprinter ary nivadibadika vao nijanona. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny fokonolona niezaka namonjy ireto mpandeha tra-doza ireto. Nanao sesilany tokoa ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato izay, indrindra fa tao anatin’ny fety iny. Miantso hatrany ireo mpamily sy ny mpampiasa lalana rehetra, indrindra fa ny lalam-pirenena ny tompon’andraikitra fa hitandrina sy ho mailo hatrany eny am-pandehanana ary hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
m.L


