- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Taxi-brousse voatafika, lasan’ny jiolahy ny vola 160 tapitrisa ariary

Ankazobe : Taxi-brousse voatafika, lasan’ny jiolahy ny vola 160 tapitrisa ariary

Omaly vao mangiran-dratsy, taxi-brousse mampitohy an’I Mahajanga sy ny renivohitra indray no lasibatry ny jiolahy mpanakan-dalana, kilaometatra vitsivitsy tsy hiditra an’Ankazobe. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mitentina 160 tapitrisa ariary, miampy ny entan’ireo mpandeha. Efa maro ihany izay fanakan-dalana tamin’iny lalam-pirenana faha-efatra iny izay tato ho ato, saingy voasoroka mialoha sy saika tsy nahatanteraka ny asa ratsiny hatrany ireo jiolahy. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia vitany tanteraka ny zavatra nokasain’izy ireo, ary tena volabe tokoa ny lasa. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia teo amin’ny toerana antsoina hoe Andoharano, kilaometatra faha-106 tsy ahatongavana aty Antananarivo no nanaovan’ireo olon-dratsy ny sakana. Vato maranitra marobe no napetrak’ireo jiolahy teo amin’ny lalana. Niezaka ny hiala ireto vato ireto ihany ity taxi-brousse avy any an-drenivohitr’i Boina ity tamin’io fotoana io. Saingy voan’ny vato ny kodiarana ka vaky. Tsy afa-nihetsika noho izany ilay fiara. Tamin’izay fotoana izay no nanararaotan’ireo olon-dratsy, izay miisa roa, raha ny fampitam-baovao hatrany ny asa ratsiny. Tetsy an-danin’izay kosa anefa, raha vao tsy tafahetsika ilay fiara, dia nivoaka sy niezaka ny hitsoaka nandositra avokoa ny mpandeha, namonjy ny tanan’Ankazobe. Nalalaka tanteraka araka izany ireto dahalo ireto naka izay zakany. Ary angamba efa fantatr’izy ireo mialoha ny fisian’ilay volabe 160 tapitrisa ariary nentin’ity fiara ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany moa ny zandary, nanao savahao ny manodidina saingy efa nadio ny rano nitàn’ireo olon-dratsy. Mitohy araka izany ny fikarohana azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici