- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Tokantrano voatafika, naratra ny tompon-trano, lasa ny 4 tapitrisa ariary

Ankazobe : Tokantrano voatafika, naratra ny tompon-trano, lasa ny 4 tapitrisa ariary

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray, tany amin’iny distrikan’ Ankazobe iny, ny talata hariva lasa teo. Tokantrano iray tao an-toerana no lasibatra tamin’izany. Noratrain’ireo mpanafika ny tompon-trano ary lasan’ireo ny vola an-tapitrisany.

Tao amin’ny tànana iray antsoina hoe Tsarahonenana, ao amin’ny fokontany Amboanjo, kaominina Mangasoavina no nitrangan’ity fanafihana ity, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva teo. Valolahy ireo olon-dratsy, raha ny loharanom-baovao azo, izay nirongo basim-borona  sy zava-maranitra no nanao amboletra tao amin’io tokantrano iray io. Tsy nitifitra izy ireo tamin’io fotoana io saingy kosa avy hatrany dia nidaroka ireo tompon-trano nahazoany ny zavatra nilainy. Mazava ho azy, nentin’ny tahotra ireo voatafika ka nanome tsy fidiny izay zavatra notakian’ireo olon-dratsy. Vola manodidina ny 4 tapitrisa ariary tany ho any no lasa tamin’io fotoana io niaraka tamina fitaovana sarobidy isan-karazany, araka ny fampitam-baovao azo.

Vao lasa  ireo olon-dratsy dia niantso ireo voatafika. Tsy ela dia vory ny fokonolona nampian’ireo miaramilan’ny Das tany an-toerana. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia ka tsy ela dia nifanehitra ireo nenjehina sy ny mpanenjika. Raikitra ny fifandonana. Vokany, nanao tsoa-pe nitsoaka ireo andian-jiolahy rehefa hitan’izy ireo fa tsy resy tosika ireo mpanara-dia. Nisy iray tamin’izy ireo rahateo maty rehefa voatifitra. Nisy roa ihany koa no voan’ny bala,n saingy naratra fotsiny ihany ary nezahan’ireo namany nentina nitsoaka. Tsy nisy azo ny zavatra lasan’ireo olon-dratsy; izay tsy hita tany nanjavonana intsony, namela ilay iray lavo teo. Natao ny fitiliana ity razana ity ary nomena ny fokonolona halevina nony avy teo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireto mpanafika tafatsoaka ireto any an-toerana hatramin’ny omaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici