Vehivavy 59 taona, noahiahiana ho mpamosavy, no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany Ambohimanarina, fokontany Tsandrivotra, kaominina Mangasoavina, any amin’iny distrika Ankazobe iny. Rehefa natao ny fanadihadiana taty aoriana dia fantatra fa efa-dahy, olona akaiky an’ity ramatoa ity ihany, no fantatra fa tao ambadik’izany vono olona mahatsiravina izany. Ny zava-nitranga : teo amin’ny tapatapaky ny volana aprily teo, dia tsy hita izay tany nanjavonan’ity ramatoa iray ity. Telo andro taty aoriana, hita faty tao anaty kirihitra tsy lavitry ny tanana izy. Efa nanomboka ho simba ny razana tamin’io fotoana io. Nanao ny fitsirihana voalohany tamin’izany ireo mpitandro filaminana sy ny dokotera. Tsy fantatra hatreo izay nahavanona ny loza, ary natao ny fomba rehetra nikarohana azy. Ny herinandro lasa teo, nisy ny fanampim-baovavo azon’ireo zandary mpanao famotorana. Nangataka ny hamongorana indray ny razana izy ireo tany amin’ny fitsaràna, mba hanaovana fanadihadiana lalindalina kokoa ary nahazo fankatoavana. Tamin’ity fitsirihana faharoa ity dia hita fa nokendaina no nahafaty azy, satria dia tapaka ny taolana teo amin’ny tendany. « Tamin’izany fanadihadiana lalina izany ihany no nahafantarana fa olona efa-dahy teo an-tanàna ihany no noahiahiana mafy nanao izany ka nosamborina izy ireo », hoy ny fampitam-baovao. Niaiky izany rahateo ireto efa-dahy ireto ary nilaza izy ireo fa « mpamosavy » io ramatoa io, ary dia noho izany antony izany no namonon-dry zareo azy. Notazomina avy hatrany natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary moa ireto olona efatra ireto mandra-pisokatry ny fitsaràna ka hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L



