- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Efa-dahy nitondra fitaovam-piadiana nifanenjehan’ny pôlisy

Ankazomanga : Efa-dahy nitondra fitaovam-piadiana nifanenjehan’ny pôlisy

Ny talata tolakandro teo, tetsy Ankazomanga, lehilahy no voasambotry ny pôlisy rehefa avy nifanenjehana hatrany Ankorondrano. Raha ny fantatra dia efa-dahy izy ireo saingy tafatsoaka ireo namany hafa, raha izao voasambotra izao kosa ny iray. Araka ny fanazavana azo dia vao avy nanatanteraka asa ratsy eny amin’iny faritra Ankorondrano, akaikin’ny orinasa iray mpanodina ranomboankazo teny an-toerana izy ireo. Olona iray no niharan’ny fanendahana tamin’io fotoana io. Nampiasa fitaovam-piadiana ireto olon-dratsy nentina nanaovana izany asa ratsiny izany. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nandalo ireo pôlisy nanao fisafoana avy etsy amin’ny PPA Antaniavo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ary niroso tamin’ny fanenjehana ireo tontakely. Nisy tamin’izy ireo nitsoaka nihazo elakelan-trano ka tafaporitsaka, ny iray kosa tsy namelan’ireo mpitandro filaminana raha tsy voasambotra. Voalaza moa fa tsy nahitàna fitaovam-piadiana tany amin’ity lehilahy voasambotra ity fa lasan’ireo namany izany. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ingahirainy ary efa eo an-dalam-pikarohana ireo namany hafa ny mpitandro filaminana.

Fa ankoatr’izay dia tontakely roa lahy ihany koa no voasambotry ny fokonolona teny amin’iny faritra Ambohibe Ilafy iny omaly antoandro. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy roa lahy no tra-tehaka ary efa niharan’ny vono sy daroka tamin’ireo nahasambotra azy ireo izy roa lahy ireto, izay marihana fa tsy mponina any amn’iny tanana iny akory, ary mbola tsy ampy taona akory ny iray. Efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana moa ny raharaha amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici