« Moto quad » halatra izay mitentina 16 000 000 ariary no saika hamidin’ireto lehilahy miisa 08 tamin’ny kilao teny amin’ny mpivarotra korotam-by. Sarona teo amin’ny ora farany anefa izy ireo ka tsy tanteraka izany.
Moto saika hampanamboarin’ny tompony tao amina garazy iray teto andrenivohitra ity nangalarina ity. Tamin’ny 06 jolay io olona io no tonga tao amin’io toerana io mba hampanolo ny moteran’ilay « Quad ». Tsy vitan’ilay mpanamboatra anefa ilay izy ka napetrany tamina toerana fametrahana fiarana “parking” iray teny Akazomanga. Misy mpiambina moa io toerana io. Afaka iray volana sy tapany taty aoriana dia voaroaka ilay mpiambina. Nisy lehilahy telo tonga teo amin’ilay toerana nametrahana ilay moto. Nilaza tamin’ny mpiambina vaovao izy ireo fa nirahan’ilay mpiambina teo aloha haka ilay “moto ». Noravan’izy ireo tao amin’ilay toerana fipetrahan’ny fiara ilay zavatr’olona ary nafatratr’izy ireo tao anaty gony sy sobika ny” « pieces » “rehetra. Ny kodiarana roa efa ratsy nodoran’izy ireo fa ny kodiarana tsara kosa nentina nody.
Rehefa tonga haka ilay moto ny Tompony dia tsy nahita izany intsony ka dia nametraka fitoriana. Taorian’ny angom-baovao teo am- pelatanana azon’ny Polisy no nisamborana telo lahy teny Ankazomanga ny 14 septambra 2018. Izy ireo avy eo no nanoro ny namany ka ny ampitson’io ihany dia voasambotra teny Ankazomanga sy Ankorondrano ny telo lahy hafa.. Ny roalahy kosa dia mpiambina ilay toerana. Tamin’ny fanadihadiana dia niaky izy ireo fa naka sy nandrava ilay “moto quad” teny Ankazomanga. Fantatra fa lehilahy iray antsoina hoe Riri izay isan’ny voasambotra no atidoha nikotrika izao halatra izao mba hahazoana mivarotra ity « moto quad » ity eny amin’ny mpivarotra fatim-by.
T.M.