- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Epicerie voatafika tamin’ny kalachnikov

Ankazomanga : Epicerie voatafika tamin’ny kalachnikov

Manodidina ny tamin’ny fito ora sy sasany teo no niseho ny fanafihana, tetsy Ankazomanga, ny alin’ny zoma. Teo am-piomanana ny hanidy tsena ny mpivarotra no tonga tampoka ny jiolahy mitam-basy. Kalachnikov no nampiasain’ireo olon-dratsy nanatontosa ny asany. Tsy voafaritra mazava ny tena isan’izy ireo, satria nisy ny niditra tao amin’ilay toeram-pivarotana ary nisy kosa ny nijanona niambina taty ivelany, sao misy olona miditra tampoka. Raha ny fitantaran’ny teo amin’ny manodidina dia nisy feom-basy nirefotra henon’izy ireo. Ny vola maty indray andro no nobatain’ny jiolahy niaraka tamin’izay entam-barotra mora nentina. Vetivety foana izy ireo dia nanjavona teo an-toerana, feno lalankely rahateo Ankazomanga hany ka manamora ny fitsoahana. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny kaomisaria sy ny hery vonjitaitra ary niezaka nanao ny fisafoana ny toerana. Nisesy izany ny fanafihana toeram-pivarotana tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha tsiahivina mantsy dia notafihan’ny jiolahy ihany koa ny, alakamisy hariva teo, ny toerana iray fivarotana zezika etsy Anosibe. Olona roa teo amin’ny manodidina no voatifitra izay samy vehivavy avokoa. Nisy iray fanintelony voadaroka tamin’ny hazobe ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao. Mila mitandrina ny mpivarotra rehefa harivariva, satria amin’ny toerana fanidiana tsena indray izany no fanararaotan’ny jiolahy mitam-basy, fa tsy voatery ho amin’ny alina intsony.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser