Omaly antoandro be nanahary tokony ho tamin’ny 12 ora teo no nitranga ity loza teny amin’iny faritra Ankazomanga iny. Rangahy nitsiatra teo amin’ny arabe no hitan’ny fokonolona . Araka ny vaovao voaray dia fantatra fa mamo ity rangahy ity ka noheverin’olona ho toy ireny mamo mpatory an-dalana ireny ka tsy nisy nahatsikaratra hoe efa maty izy io. Rehefa nandeha ny lera dia gaga sy talanjona ihany ny olona teny an-toerana fa tsy nikofoka na nihetsika mihitsy ity rangahy ity teo amin’ny toerana izay nisy azy . Nitangorona nijery ny fokonolona , kanjo efa vatana mangatsiaka ny an’ity farany . Teo vao samy taitra avokoa ireo mponina sy mpivarotra eny an-toerana. Nahitana karam-panondro sy finday moa tany amin’ity rangahy ity ka nantsoina avy hatrany ny fianakaviany mba hilazana ny zava-nitranga teny an-toerana . Ranomaso tsy hay nampaginina ny an’ireto fianakaviana rehefa nahita ny vata-mangatsiakan’ity havany . Araka ny nambaran’ny iray tamin’ireo olona mahafantatra azy dia tsy nampoizina hanao io zavatra io ity rangahy ity satria tsy mba fombany mihitsy ny misotro toaka toy izao, fa mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga azy hahavita an’izao fisotroana izao . Raha ny filazan’ireo olona akaiky azy mantsy dia mpivavaka be ity rangahy ity ary efa vita batisa tamin’ireny fiangonana vao misokatra ireny mihitsy aza ka izay no nahagaga ny maro.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)