- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Jiolahy mpamerin-keloka vao nivoaka ny fonja niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ankazomanga : Jiolahy mpamerin-keloka vao nivoaka ny fonja niharan’ny fitsaram-bahoaka

Soa fa tonga haingana ny polisy nanavotra ity lehilahy 21 taona tratra namaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka ny sabotsy alina 12 novambra 2022 tokony ho tamin’ny 7ora sy 40 minitra. Efa-dahy izy ireo no voalaza fa nanafika tokantrano iray teny an-toerana ka very tamin’izany ny “ordinateur portable” sy ny lelavola 200 000 ariary ary finday miisa roa. Teo am-panaovana ny asa ratsiny indrindra izy ireo no hitan’ny tampon-trano. Niantso vonjy avy hatrany ity farany ka nifanenjehan’ny olona teny amin’ny manodidina ireto jiolahy. Tafaporitsaka ny telo fa ny iray no voasambotry fokonolona. Raha nandre izany ny polisy dia nidina teny an-toerana ka lehilahy iray efa nitangoronan’ny olona sy efa vodarodaroka noho ny hatezeran’ny vahoaka no hitan’ny mpitandro ny filaminana. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina teny amin’ny kaomisaria hanaovana fanadihadiana. Nandritra izany no nahafantarana fa olona  efa ao anatin’ny fikambanan-jiolahy mpanao halatra mitam-piadiana miharo herisetra io tratra io. Ny faritra Ankazomanga sy Tsaramasay iny no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ka nampihorohoro fatratra ny mponina . Ankoatra izay, olona vao nivoaka ny fonja ny zoma 11 novambra 2022 izy, izao mbola namerin-keloka izao. Milaza moa ny polisy fa tsy maintsy hikaroka ireo namany telo izay mbola miriaria any. Koa entanina hatranay ny rehetra mba tsy hisalasala hampandre ny mpitandro ny filaminana raha vao misy tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina eny.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici