- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Mody nofaina ny 4x4 dia nangalarina

Ankazomanga : Mody nofaina ny 4×4 dia nangalarina

Naloany soa aman-tsara ny hofan’ilay fiara tsy mataho-dàlana izay an’ny orinasa miompana amin’izany. Mbola notohizany aza ny fifanarahana ary nampiany enina andro. Mbola voaloa tsy nisy olana ihany koa ny saran’ny fanofàna ary nalefa tamin’ny kaonty any amin’ny banky. Izany dia mba entina hanalàna izay mety ho ahiahin’ny mpampanofa sady tompon’ny fiara. Kinanjo rehefa tena nozohiana dia tao anatin’izay fotoana izay no nanomanana ny fomba hangalarana ny fiara. Vita ny fe-potoana nifanekena tamin’ny fanofàna dia nanomboka teo amin’izay ny olana. Sady tsy hita ny mpanofa no tsy naverina ny fiara. Nanapa-kevitry ny nitondra ny raharaha teo anivon’ny polisy misahana ny raharaha heloka bevava izay miompana amin’ny halatra fiara ny orinasa. Rehefa nandeha ny fampitam-baovao anatiny dia voaporofon’ny polisy fa any Toamasina ny fiara ary misy olon-kafa mitondra. Rehefa nohadihadiana io farany dia nilaza fa mpivarotra fiara. Nanondro ny misy ilay lehilahy izay namatsy azy fiara io farany ary izay no nahatonga ilay fisamborana tetsy Ankazomanga. Nohamafisin’ny polisy rehefa nandeha ny fanadihadiana fa tena mpangalatra fiara tokoa ilay lehilahy ary isan’ny tetika fanaony ny manofa ny fiara izay hangalariny. Mbola ny polisy hatrany no nanazava fa mbola misy raharaha maro izay maha-voasaringotra ilay lehilahy izay voasambotra ary saika halatra fiara avokoa izany. Mila mailo ireo mivelona amin’ny fampanofàna fiara ary manao taratasy fifanarahana ara-dalàna. Isan’ny tsy tokony ekena mora koa ny mampanofa fiara ary tsy mandefa fiara avy amin’ny orinasa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici