- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Môtô sy bisikileta nifandona, niafara tamin’ny ady totohondry

Ankazomanga : Môtô sy bisikileta nifandona, niafara tamin’ny ady totohondry

Tranga iray izay nampitolagaga ny manodidina no niseho ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro tetsy Ankazomanga. Bisikileta iray no voadonan’ny moto izay nisongona azy avy ato aoriana. Tanora mbola vao erotrerony tokoa no nitondra an’ilay moto, izay marihina fa dia nanao taingin-telo mihitsy izy ireo tamin’izany. Lehilahy efa nahazoazo taona kosa no teo amin’ilay bisikileta. Nitrosona tamin’ny tany tanteraka ity farany taorian’ny nandonan’ilay moto azy. Marihina fa moto roa izay samy mpinamana no indray nisongona an’ity bisikileta saingy ilay faharoa taty afara no nandona azy. Ireo tanora nitondra izany môtô izany tetsy andaniny tsy nialatsiny fa nionona fotsiny tamin’ny fijanonana sy fijerena ny zava-nanjo ilay lehilahy lehibe nianjera. Nisy tamin’ireo nanatri-maso ny loza aza no mbola nanamarika fa mbola nahay vava tamin’ilay rangahy tompon’ilay bisikileta ihany ireto tanora. Tsy nahazaka izany ilay lehilahy lehibe ka avy hatrany dia niarina teo amin’ny tany ka namely totohondry ilay mpitondra môtô noho ny hatezerany. Ny manodidina rahateo niandry izay havalin’ity voakasi-tànana ary samy nanome tsiny azy. Efa saika raikitra indray araka izany ny fitsaram-bahoaka. Saingy nahay nangina ihany ity tompon’ny hadisoana ka nampilamina ny raharaha. Efa nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana moa ilay lehilahy lehibe naratra nandray ny fitsaboana sahaza azy.

Niony H.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici