Ny alin’ny alahady tokony ho tamin’ny 11 ora, mpandeha taxi iray no niharan’ny fanendahana teny Ankazomanga. Very tamin’izany ny vola 400 000 ariary niampy telefonina sy lakileana fiara. Niantso ny mpitandro filaminana ilay olona niharan’ny endaka ka fantatra fa vehivavy iray no voasambotra. Tamin’io alina io, olona iray no naka taxi hody any Mahitsy. Rehefa teo Ankazomanga anefa, voalazan’ny vaovao fa lany lasantsy ilay taxi ary tsy maintsy natosika haka solika tsy lavitra eo. Tamin’io fotoana io no nisy roa lahy nanatona ary nanambana basy an’ilay mpandeha sady naka ny zavatra tany aminy. Tamin’izany no nahavery ireo zavatra voatanisa etsy ambony. Raha vao nahazo an’izany ireo mpangalatra dia lasa nandositra. Tetsy andaniny kosa, afaka niantso ny mpitandro filaminana ilay voaroba. Rehefa teny an-toerana ireto farany dia afaka nisambotra vehivavy iray voalaza fa anisan’ireo bandy nanendaka. Voatondro ho mpiray tsikombakomba izy io. Mandeha ny famotorana mikasika ity endaka ity amin’izao fotoana izao.
r.s.