Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay dia nahazo vahana teto an-drenivohitra tokoa ny fanafihana fiara, na an’olon-tsotra io na fiara iombonana. Raha nisy ny fepetra noraisin’ireo mpitandro filaminana mahakasika izany, dia niova tetik’ady indray ireo jiolahy ka tsy ireo fiara mandeha intsony no voatafika fa ireo fiara mipetraka indray. Toy ity nitranga teny amin’iny faritra Ankazomanga iny. Rangahy iray, niandy olona ka nanajanona ny fiara tamina toerana iray no lasibatry ny olon-dratsy ny alakamisy lasa teo. Enin-dahy, izay samy mirongo basy, no nandroba ity rangahy ity, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Eny fa na dia efa nihidy aza ilay fiara, dia mbola vitan’ireto olon-dratsy ireto hatrany ny nanao ny asa ratsiny, tamin’ny famakiana ny fitaratr’ity fiara ity. Lasa tamin’izany avokoa ny zavatra sarobidy rehetra tany amin’ilay rangahy. Mazava ho azy, amin’ny toe-javatra tahaka izao dia tsy afa-manohitra ny voatafika, noho ny fandrahonan’ireo jiolahy. Toraka izany ihany koa ireo olona sendra nahita. Samy matahotra avokoa mantsy ny olona amin’izao fotoana izao, satria efa tsy menatra ny mitifitra sy mamono avy hatrany izay olona sahy misedra azy ireo ireo olon-dratsy. Toy ny zava-nitranga niseho teny Tsiadana sy ny faritra maro teto amintsika. Saingy tamin’ity, tsy nisy ny aina nafoy, tsy nisy ihany koa ny naratra. Somary nahavariana ny maro ihany ny zava-nitranga satria tamin’io ora sy fotoana io ihany koa no nisehoan’ilay fitifirana tetsy Tsaralalàna akaikin’ny Masoivohon’i Inde. Sendra niantsona teo amin’io toerana io ihany koa moa ity farany, no notongavan’ilay mpitifitra.
m.L