Nandritra ny fisafoana nataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny alina no nahatratraràna ireto roa lahy nitaingina môtô, somary nampiahiahy ihany, omaly, teny amin’ny faritra Ankazomanga iny, tokony tamin’ny 2 ora maraina. Tamin’ny fisavàna natao azy ireo no nahitana fanamiana pôlisy sy fitaovam-piadiana, toy ny « bigboss » sy « matraque electrique », tao anatin’ny môton’izy ireo. Notanana avy hatrany moa ireo roa lahy ireto ary efa an-dalam-panadihadiana azy ny mpitandro filaminana. Asa na fifanandrifian-javatra tokoa mantsy na ahoana, fa vao avy nisehoana fanafihana mitam-piadiana, iny alina iny, teny Andraharo teny. Saingy nalaky tonga ny mpitandro filaminana ka tafaporitsaka ireo jiolahy tamin’izay fotoana izay. Tsy nisy zavatra lasa na aina nafoy aloha, raha ny fanazavana azo hatrany. Efa an-dalam-pamotorana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana ka ny valin’ny fanadihadiana ihany angamba no hahafantarana izany.
m.L