Ny faran’ny herinandro teo, roa lahy nampiseho fihetsika mampiahiahy, nandritra ny fisafoana natao, no nosamborin’ny pôlisy noho ny fiaraha-miasan’ireto farany tamin’ireo vondron’ny fandriam-pahelamana teny amin’iny faritra Ankazomanga iny. Mbola tratra teny amin’izy roa lahy ireto ny vy « fer rond » sy ny « lame scie metaux», fitaovana fampiasan’izy ireo rehefa hamaky trano. Tsy atao mahagaga araka izany, raha tsy misy dikany amin’izy ireo akory ny manala sy manapaka ireo « grille de protection »n’ny trano, izay ataon’izy ireo lasibatra. Nandritra ny fotoana maharitra tokoa mantsy dia saika nirongotra izay tsy izy ny vaky trano teny an-toerana, ary vitan’izy ireo mihitsy ny mamaky ireto trano izay efa misy karazam-by fiarovana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia efa maro ireo fitarainana tonga teny anivon’izy ireo. Izy roa lahy ireto no anisan’ny karohina fatratra sy efa mpamaky trano ikoizana teny amin’iny faritra iny. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany moa izy ireo taorin’izao nahatratrarana azy izao. Natolotra ny Fampanoavana ny alarobia lasa teo ary nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L