Tovolahy miisa efatra no voasambotry ny Polisy ao amin’ny « Poste avancé » Antaniavo ny 12 may 2019 lasa teo, teny akaikin’ny Jovenah Ankazomanga, noho ny resaka halatra moto sy bisikileta. Araka ny fantatra dia efa tena tambajotra mihitsy ireto jiolahy ireto. Izy ireo no mpangalatra moto sy bisikileta mipetrapetraka eny amin’iny faritr’Ankazomanga iny. Olona tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy teny Antaniavo, ny faha-12 may lasa teo, no niaingan’ny fisamborana. Nitaraina ho very bisikileta ity olona ity, izay napetraka teo amin’ny « parking » manoloana fivarotana zava-pisotro eny an-toerana. Nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy nijery ny zava-nisy. Taorian’ny fikarohana dia hita io andro io ihany ilay bisikileta, izay nafenin’ireo jiolahy tao anaty trano fivoahana teo ampitan’ilay toerana fisotroana zava-pisotro ihany. Ny fanadihadiana nataon’ny Polisy no nahalalana fa mizara andraikitra mihitsy ireto mpangalatra ireto rehefa manao ny asa ratsiny. Hafa ny maka ilay bisikileta sy manitrika izany ao anatin’ilay trano fivoahana. Tovolahy 02 hafa kosa avy eo ny maka izany ao amin’ilay toerana ka mamindra azy eo amin’ny parking iray hafa eo ampita eo. Ny ambiny kosa maka izany zavatra nangalarina izany avy eo ka mitondra azy mitsoaka. 18 ka hatramin’ny 29 ny salan-taonan’ireto jiolahy ireto.
T.M.