- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Trano fieren’ny mpanendaka saron’ny polisy

Ankazomanga : Trano fieren’ny mpanendaka saron’ny polisy

Mpanendaka miisa dimy, samy tsy mbola ampy taona, no tratran’ny polisy tao amina trano iray teny amin’ny faritra Ankazomanga tamin’ny zoma hariva lasa teo. Fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana no nahazoana izao voakatra izao. Nahazo vaovao ny polisy fa misy trano iray hofain’ny mpanendaka eny an-toerana. Ao amin’io trano io ry zalahy no mitoby alohan’ny handehanany hanao ny asa ratsiny. Rehefa avy miremby izy ireo dia miverina ao amin’io toerana io. Rehefa tratra ry zalahy ka nofotorana dia nilaza fa izany Radegany izany no lehibeny sy manofa io trano io. Efa voazara tsara ny handraikitry ny tsirairay rehefa ao an-trano. Misy amin’izy ireo no mikarakara ny nahandro. Rehefa manendaka kosa anefa dia miaraka avokoa ry zalahy ka eny amin’ny « dalle » Ankazomanga no toerana fanaovany izany. Rehefa mahazo ka miverina ao amin’ilay toerana dia zaraina avokoa ny zavatra rehetra avy nangalarina tany. Tsy fantatra kosa anefa, na manana ambony ampanga ilay voatondro ho lehibeny na ahoana. Tsy anisan’ireo tratra izy io ary karohan’ny mpitandro filaminana fatratra amin’izao fotoana izao.

Omaly faha-21 martsa no natolotra ny Fampanoavana ireo dimy voasambotra.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici