Olona roa no indray nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny PA Antaniavo. Ny iray fantatra fa namaky trano ary ny faharoa nanendaka olona teny an-dalana. Ny alin’ny alahady faha-13 septambra, nisy trano vaky teny Ankazomanga. Ny marain’ny alatsinainy, tonga nametraka fitoriana ny tompony satria bebe ihany ny zavatra very tamin’io alina io. Natao ny fanadihadiana ka nosamborina ny tovolahy iray antsoina hoe Bodokely. Izy io no nahiana ho nahavita ny halatra. Rehefa nofotorana izy dia nilaza fa izy tokoa ny tompon’antoka tamin’io vaky trano io. Lasa tamin’izany ny vola 1 200 000 ariary, finday miisa efatra, poketra ary fitafiana maro isan-karazany.
Fa mbola teny amin’ny faritra Ankazomanga ihany, lehilahy iray koa no voasambotry ny olona niaraka tamin’ny polisy tamin’ny alahady antoandro. Nisy bandy roalahy nanendaka olona teny an-toerana tamin’ny 2 ora. Namaly ilay voaendaka fa tsy nanaiky fotsiny tamin’izao. Nisy nahita izany fandehan-javatra izany ka niantso polisy avy hatrany sady niezaka namonjy ilay lehilahy. Tsy ela dia tonga ireo mpitandro filaminana. Raha nahita izany izy roalahy mpanendaka dia nandositra. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra ny iray. Izany Keke izany no anarany.Tafatsoaka kosa ilay namany.
nangonin’i r.s.