- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Vaotonga avy any an-dafy dia voaroba

Ankazomanga : Vaotonga avy any an-dafy dia voaroba

Tsy nisy na inona na inona nentina nody intsony ankoatrany tena izay tsy maty foaman’aina.  Nobatain’ireo olon-dratsy ny entana rehetra ho an’ity fianakaviana izay vao tonga avy any La frantsa mba hialasasatra eto an-tanindrazana, ny alin’ny asabotsy teo. Lasa ny vola, lasa ny valizy ary koa ny fitaovana maro. Ny tena olana dia lasan’ireo mpandroba hatramin’ny taratasy rehetra ilaina amin’ny andavanandrom-piainana. Hatramin’ny pasipaoro aza dia voaroba. Izany no nosedrain’ ireo olona telo izay vao nigadona teny amin’ny fiaramanidin’Ivato ny asabotsy alina teo ary nandeha hihazo ny fonenany avy hatrany rehefa tonga soa aman-tsara teto an-tanindrazana. Na teo aza ny hatsiaka mamirifiry dia tsy dianahoana firy izany satria ny ao an-doha diany hafaliana hifankahita amin’ny fianakaviana efa ela tsy nihaonana. Saingy tsy izany loatra no nitranga noho ny hetraketrakin’ny jiolahy. Ny tena olana dia mba nahavita niantso vonjeo ihany ireo fianakaviana saingy tsy nisy olona nahasahy namonjy. Nijerijery avy eny am-baravarankely fotsiny ary tsy nisy nidina avy any, eny fa na dia hampitahotra ireo jiolahy fotsiny aza. Tsy izay ihany fa mbol anahakivy koa ny teny amin’nyarabe. Tsy nisy mba nety nijanona ireo fiara izay mbola nisy nivezivezy tamin’io fotoana io. Nandalo fotsiny ary mainka koa aza nitsoaka ilay toerana. Izany sisa no toe-tsaina entin’ny olona sasany miatrika ny fiainana ankehitriny. Mifampijerijery ary toa lasa tsy misy zava-baovao intsony ny mahita ny sasany miady aman’aina mijery ny olona vonoin’ny jiolahy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici