Ny alahady tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo ho eo no nitranga ny loza. Vaviantitra 61 taona no maty tsy tra-drano raha nodomina môtô scooter tetsy Ankazomanga. Voalaza teny an-toerana fa tsy dia nandeha mafy ilay skotera, saingy kosa nikivilavila aoka izany ny fandehany. Tsy nahatazana ity môtô avy ilay vaviantitra, izay an-dalana hody fa avy naka vary « pension », ka voadona, araka ny voalazan’ireo olona akaiky ity ramatoabe ity. Mafy tokoa ny fifandonana, niainga ambony ary nipitika lavitra tokoa. Izany fifandonana mafy dia mafy izany no nitarika ny famoizany ny ainy. Ilay mpitondra môtô, nahavanon-doza kosa, niaraka tamin’ny skoterany, araka ny fantatra hatrany, dia notazomin’ny olona teny an-toerana ary natolotra ny manam-pahefana.
Hafa koa. Nisehoana lozam-pifamoivozana ihany koa, io alahady hariva io hatrany teny amin’ny lalam-pirenenana voalohany, Pk 22, alohan’ny hiditra an’Ambatomirahavavy. Raha ny vaovao voaray dia môtô nisongona, an-tampom-piakarana, no nahatonga ny loza. Voalaza mantsy fa saika hisongona an’ity fiara teo alohany izy no nisy fiara nifanenana tampoka ka dia nifatratra tamin’itsy voalohany. Vokany, potika tanteraka ilay môtô, raha ny lohan’ilay fiara kosa no nahitana fahasimbana. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy. Faharatràna madinika ihany no nahazo ity mpitondra môtô, nisetrasetra ity.
Mike L.