jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Vehivavy bevohoka, naratra mafy voahitsaky ny fiara

Ankazomanga : Vehivavy bevohoka, naratra mafy voahitsaky ny fiara

Nandriaka indray ny rà teny Ankazomanga, ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany tany ho any. Vehivavy iray mitondra vohoka manodidina ny 22 taona teo ho eo, no naratra mafy voadonan’ny fiara, avy eo voahitsaky ny fiara indray. Raha ny fanazavana azo, dia saika hiampita ny arabe teo amin’ny Boulevard de l’Europe iny izy no nisy fiara iray nandona azy teo amin’ny sisin-dàlana. Raha ny fanazavana azo mantsy, dia toa hoe teny an-dàlana saika handeha hisafo ity olona mavesatra ity no izao tratran’ny loza izao. Nambaran’ireo nanatri-maso, fa nipitika lavitra teny am-povoan’arabe ity vehivavy mitondra rano ity. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nisy fiara hafa, izay voalazan’ireo olona hatrany fa taxibe nirimorimo avy any nanitsaka indray ity vehivavy mahantra. Araka ny fitantaran’ireo olona hatrany, dia tena nitety tanteraka ny kibon’ity renim-pianakaviana ity ny kodiaran’ilay fiara. Seho mahatsiravina, tsy hay tantaraina ! Torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany ity vehivavy ity, raha ny vaovao voaray hatrany. Nifamonjena nentina haingana teny amin’ny hôpitaly. Raha ny fanazavana azo teny amin’ny toeram-pitsaboana, dia mbola miady amin’ny fahatesana ity vehivavy ity, saingy efa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitsabo, hamonjena azy. Nambaran’ireto farany kosa, fa ilay zaza efa-bolana tao an-kibo no tsy tana intsony ny ainy. Voatery nampandalovina fandidiana araka izany ity vehivavy ity, hanesorana ilay zaza sy hitandrona ny ainy. Raha ny mikasika ireo fiara nandona kosa, dia fantatra fa efa notànana teny amin’ny mpitandro ny filamininana ireo mpamily nahavanon-doza ireo. Fiara diso naka sisiny loatra ve no nahatonga izao ka nahafaoka ity renim-pianakaviana ity, izay nitarika izao loza mahatsiravina izao. Marihina fa amin’iny lalam-baovao eny amin’ny faritra Ankazomanga iny, dia voatery manara-tsisiny tampoka ireo fiara mirimorimo avy any. Miala ireo lavaka, izay lasa mangotanatana amin’izao andro avy orana izao, manandrify indrindra ireo lalam-by manapaka ireo lalam-baovao amin’iny faritra iny. Teny atsipy ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser