Amin’ny antoandro be nanahary sy amin’ny fotoana betsaka olona mihitsy no nandroba mpitondra môtô iray, basy teny an-tanana, ny olon-dratsy tetsy Ankazomanga. Araka ny fantatra dia olona saika handeha hanatitra vola an-tapitrisany tany amin’ny banky ity voatafika ity.
Tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka kely teo no nitranga ity fanafihana ity araka ny filazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Ankevitry ny efa narahan’ireto olon-dratsy hatrany amin’ny toerana niaingany ity lehilahy nitondra vola ity, izay marihana fa toa hoe volan’ny orinasa mampiasa azy. Izy ireo moa, na ilay voaroba na ireo olon-dratsy dia samy nitondra môtô avokoa, fa ireto farany nanao taingin-droa. Nony tonga teo amin’ny « rond point » Ankazomanga, ka iny handeha hivily hihazo ny lalam-baovao iny ilay nitondra vola no nanatonan’izy ireo akaiky. Toy ireny mpitondra môtô hisongona ireny ny fihetsik’izy ireo, kanjo nataony fanahy iniana nodominina ilay lehilahy nitondra sakaosy feno vola. Niezaka niala izany ity farany ka nianjera. Teo amin’izany no nohararaotin’ireo roalahy norobaina. Nifampisitomana teo ilay sakaosy nisy vola satria tsy navelan’ilay lasibatra. Sendra ny fandrahonana tamin’ny basy poleta teny an-tanan’ireo olon-dratsy anefa ity farany ka tsy afa-nanohitra intsony. Rehefa azon’ireo roalahy ilay sakaosy dia nirifatra nitsoaka tamin’ny môtô izy ireo. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany dia fotoana fohy taorian’io no tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana tamin’ny fiara tsy mataho-dalana roa, niezaka ny nananenjika sy nanara-dia ireo mpanafika.
Tsy misy tahotra intsony ary efa tena sahy ireo olon-dratsy. Mazàna anefa dia feno mpitandro filaminana amin’iny faritra iny ary hiarahan’ny rehetra mahalala izany. Ny fanontanian’ny maro dia hoe nanao inona fotsiny izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ ireo fanafihana ?
m.L