Nisehoana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanana antsoina hoe Ankazomanefa atsimokelin’ny tanan’Ankazomiriotra ny faraparan’ny volana desambra lasa teo. Voalaza araky ny loharanom-baovao maripotitra avy any an-toerana fa folo lahy mirongo fiadiana mahery vaika ireo dahalo. Tsy miova ny fisehon’ny fanafihana fa toy ireo fandre matetika . Poa basy avy hatrany no re vantany vao tafiditra ny tanana ry zalahy entina hampihorohoroana ny mponina. Atody miady amam-bato rahateo ny vahoaka ka ny aina aloha no avotana raha vao tonga ny dahalo ka mihidy an-trano no mety. Manara-po ireo dahalo mandroka ny omby ao am-bala. Valan’omby roa no fantatra fa najifan’ireo dahalo tao Ankazomanefa. Nahatratra 20 isa ny omby tafavoaka nandritry ny fanafihana saingy niparitaka eran’ny tanana ireo omby fa tsy voavondron’ireo olon-dratsy. Folo ny omby tafavoakanan’ny tanana ka lasan’ny dahalo. Dila lavidavitra vao nivoaka ny mponina ary niantso ny zandary. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Telo tamin’ireo folo lahy no sarona nandritra izany, omby iray kosa no novonoin’ny dahalo teny an-dalana nangalany hena. Rifatra nandositra ny sasany ary navelany ny omby. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ny omby sivy ambiny. Miandry ny fitsarana azy am-ponja moa ireo telo lahy voasambotra.
Andry N.