- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomiriotra : Lehilahy maty voavely hazo

Ankazomiriotra : Lehilahy maty voavely hazo

Lehilahy iray no fantatra fa maty noho ny vely hazo teo amin’ny lohany natao azy. Tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ankamory any Ankazomiriotra no niseho ity zavatra ity. Mpiray tanàna ary samy mipetraka ao amina trano iray, manao ambony ambany, no nifamaly tamin’ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy miaraka amin’ny zanany fito ilay tao ambany rihana. Mpivady kosa ny ao ambony. Nisy zavatra tsy nifanarahana ka raikitra ny ady am-bava teo amin’ilay lehilahy niteraka fito sy ny vehivavy mipetraka ambony rihana. Raha nahita izany ny vadin’ity farany dia nanampy an-dramatoa vadiny. Naka hazo lehibe iray izy ary novelesiny tamin’iny ilay lehilahy. Tonga dia torana tsy nahatsiaro tena izy. Avy hatrany dia nentina namonjy hopitaly ilay rangahy. Na dia natao aza ny alanenina rehetra, tsy tana ny ainy ny alatsinainy maraina. Efa nampandrenesina ny mpitandro filamina mikasika izao vono olona izao. Nosamborina ireo mpivady ary efa mandeha ny fanadihadiana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser