Lehilahy iray 53 taona no fantatra fa nisy naka an-keriny tao Ankazomiriotra, ny alarobia faha-10 septambra lasa teo. Vehivavy iray mpiara-manao vato aminy no voalaza fa naniraka azy handeha hividy vato any amin’ny toerana fitrandrahan’izy ireo, ary nampitondra vola 7 alina ariary. Tamin’izay fotoana izay no nahitan’ny havany azy farany. Ny faha-12 septambra, tonga tao amin’ny tranon-janany vavy eny Andafiatsimon’ny STAR Antsirabe ny zandary roa lahy manao fanamiana niaraka tamina lehilahy iray sy vehivavy iray. Araka ny filazan’ny zanak’ilay olona nisy naka an-keriny dia toa hoe noterena ilay rainy hitrotro taolam-paty iray sakaosy ary nalaina sary maromaro tao an-trano. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa raha tsy mandoa vola 4 tapitrisa ariary eo no ho eo ny fianakaviana dia hogadraina ilay rangahy. Vola 3 hetsy ariary ihany anefa no hita tamin’io fotoana io. Io no nentin’ireo olona voalaza fa mpanka an-keriny. Tsy najanony kosa anefa ilay rangahy. Mifamahofaho be ihany ity raharaha ity. Niverina ireo olona mpaka an-keriny avy eo haka ny ambin’ny vola. Avy hatrany dia nitsoka sifile mafy ilay zanany vavy. Vory ny manodidina. Raha nahita an’izany ireo haka ny vola dia vaky tady nandositra. Nametraka fitoriana eny amin’ny Tobin’ny zandary Andranomadio Antsirabe ny fianakavian’ilay lehilahy. Rehefa tonga teny izy ireo dia hitany tao ny iray tamin’ireo zandary. Misokatra amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana.
nangonin’i r.s.