Telo kilometatra tsy hidirana ny kaominina Ankazomiriotra, no misy sampanana iray mihazo ny kaominina Fidirana, distrakan’i Mandoto. Misy amin’ireo mpanangom-bokatra no matetika eo amin’io toerana io no manao ny asa fanaony, indrindra rehefa tsena. Tsenan’Ankazomiriotra mantsy isaky ny Alakamisy. Nanditra ny tsena farany teo anefa tao Ankazomiriotra, ny datin’ny 13 Aogositra dia mpanangom-bokatra iray no voaroban’ny jiolahy.
Voalaza araka ny loharanom-baovao fa, efa-dahy no nanao ny fanafihana, tsy nanana basy ry zalahy fa zava-maranitra no teny an-tànany. Tsy nitsisy ireo jiolahy fa avy hatrany dia nofirainy tamin’ny famaky ilay rangahy mpanangom-bokatra ka voa teo amin’ny handriny sy ny tatamasony. Rehefa izany dia nitaky vola ry zalahy, 5 hetsy ariary no azony, niampy vary iray kitapo.
Niezaka niantso vonjy ilay voaroba tamin’io fotoana, ary voalaza hatrany fa, tsy lavitra ny toerana nisian’ny fanafihana dia nisy mpitandro ny filaminana roalahy niasa misahana ny fifamoivoizana. Nambaran’ny loharanom-baovao fa tsy noraharahin’ireo mpitandro ny filaminana ny antson’ity niharan-doza, ary vao mainka aza nampiany teny hoe ny borigady antsoina. Ny fokonolona avy eo no nifanenjika tamin’ireo jiolahy niaraka tamin’ny zandary tratra antso, saingy tsy nisy tratra intsony ry zalahy fa niparita, ka nizarazara lalana.
Tezitra ny fokonolona noho ny fihetsik’ireto mpitandro filaminana ireto, nisy ny fisavorovoroana teo an-toerana. Nisy tamin’ireo fokonolona mihitsy no saika nitondra sora-baventy hanehoany ny tsy fankasitrahany ireo mpitandro filaminana roalahy ireto, saingy voafehy ihany ny raharaha. Nentina hainga tany amin’ny hopitaly kosa ilay naratra.
Andry N.