Nanao tapody fohy ireo jiolahy ka avy hatrany dia nodorany ny tanàna tao Morarano Ankerana, distrikan’i Mandoto.
Tezitra mafy ireo dahalo rehefa tsy nahazo izay notadiaviny ka nodorany ny tanàna. Vokany : trano fito no lasa lavenona ary zaza roa no namoy ny ainy may kilan’ny afo. Ankoatra izay, omby roa ihany koa no masaky ny afo. Tamin’ny alahady 21 septambra no nisehoan’ity fanafihana miharo famonoana mahatsiravina ity tao Ankazomiriotra.
Tokony ho tamin’ny 12 ora alina no tonga niditra ny tanàna ireo jiolahy maherin’ny 15 lahy. Avy hatrany dia poa-basy sy kotaba no nidiran’izy ireo tao an-tanàna, hoy ny fanazavana. Notampenan-dry zalahy vato ny varavarana mba tsy hisy hivoaka ny olona, miampy fandrahonana sy tifitra variraraka. Tsy nisy sahy nivoaka ny fokonolona, nanaram-po ireo dahalo nandroaka ny omby tao am-bala. Tsy araka ny niheverany azy anefa fa naditra ny omby ka tsy nisy tafavoakan’ireo jiolahy. Niparitaka eran’ny tanàna noho izany ireo omby manodidina ny folo eo ho eo ka tsy nisy azo natao na inona na inona intsony. Sahirana ireo jiolahy, hany sisa azo natao dia niala ny tanàna. Tsy hay anefa izay zava-nitranga fa niverenan’ireo olon-dratsy ny tanàna ka nodorany avy hatrany, tafo bozaka rahateo ny trano ka vetivety dia nitatra ny afo ary tsy voafehy intsony, izay nitarika ny fahafatesan’ireo zaza roa izay vao 10 taona ny iray ary 14 taona ny zokony. Toarian’ny antso vonjy nataon’ny fokonolona, tonga tany an-toerana nijery ny zava misy ny zandary ary efa efa misokatra ny fanadihadiana.
Andry N.