Sesilany ny fanafihan-dahalo any amin’ny distrikan’i Mandoto any, tsy misy hiainana fa dia taitai-dava ny mponina, indrindra fa ireo any amin’ny kaominina somary miala lavitra ny tobin’ny zandary. Dahalo manodidina ny 20 lahy indray mantsy no nanao fanafihana tao amin’ny tanàna antsoina hoe Marogoaika, kaominina Ankazomiriotra, ny alin’ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora.
Avy hatrany dia nampitahotra tamin’ny poa-basy lavareny ry zalahy, vantany vao tafiditra ny tanàna. Voafehiny tanteraka ny tanàna sy ny manodidina ka tsy nisy sahy nivoaka ny mponina. Nigalobona ireo dahalo nandroaka ny omby tao am-bala rehetra. Raha ny fanazavan’ny loharanom-baovao tany an-toerana mantsy dia naharitra ora iray sy sasany mihitsy ireo dahalo no nijanona tao an-tanàna nandroaka ny omby. Rehefa nilamina sy nangiana vao sahy nivoaka ny fokonolona. Teo no nahafantarana fa omby maherin’ny 25 no noraofon’ireo dahalo. Nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona avy eo ka ny miaramila no tonga tao an-toerana ary nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Tsy mbola nahitam-bokatra anefa izany hatramin’izao raha ny fanampim-panazavana voaray.
Andry N.