- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomiriotra : Sprinter nivadika, iray maty fito naratra mafy

Ankazomiriotra : Sprinter nivadika, iray maty fito naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana  ny lalam-pirenena faha-34, ka nahafatesana  olona iray,  7 kosa  naratra mafy.

Fiara Sprinter iray, manao fitanterana mampitohy an’ Antsirabe sy Morondava no niharan-doza tao ankazomiriotra, raha nikasa ho any Morondava ny Alakamisy 6 Novambra teo. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina no nitranga ny loza, 1 km miala ny tananan’ Ankazomiriotra no nivadika ilay fiara, noho ny fahavakisan’ny kodiarana teo aloha. Nandeha mafy rahateo ilay fiara, ka tsy tana intsony fa dia nivadika ambony ambany , ny orana rahateo nikija tamin’io fotoana io  hoy  ny loharanom-baovao tany an-toerana. Vokany ramatoa iray manodidina ny 58 taona no maty rehefa tonga tao amin’ny hopitaly Ankazomiriotra , fito kosa no fantatra fa naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana eto amin’ny hopitaly Antsirabe amin’izao fotoana. Ankizy lahy kely iray tokony ho 6 taona koa no voalaza fa tapa-tànana. Tokony hitandriana sy ho mailo hatrany ny mpamily, indrindra amin’izao fahavaratra izao ary tsy tokony hatao ambanin-javatra ihany koa  ny famerenana sy fijerena ny fiara alohan’ny hiainga fa ain’olona no hentina.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser