- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazondady : Fisandohana ho mpiasan’ny USAID, olona 35 no voasoloky, 2 tapitrisa...

Ankazondady : Fisandohana ho mpiasan’ny USAID, olona 35 no voasoloky, 2 tapitrisa Ar no efa lasany

MPISOLOKY-1Kaominina efatra no voan’ireto mpisoloky ireto, Ankazondady, Andriampamaky, Mangamila, ary Ampaneva. Saron’ny mpitandro filaminana tao Andriampamaky ny alatsinainy lasa teo, ny mpifankatia mpisandoka ho mpiasan’ny Usaid. Raha ny fantatra dia ny alatsinainy 18 aogositra lasa teo izy ireo no nilaza fa mandray mpiasa ho « Superviseur » sy « controleur », samy mikarama 540.000Ar sy 400.000 avy, tany amin’ireo kaominina ireo. Resaka momba ny fahasalamana, fambolena, ary fampandrosoana. Olona enina isaky ny kaominina ihany no ilain’izy ireo, raha ny fomba firesany, ary tsy maintsy mandalo fitsampam-pahaizana. Resy lahatra tokoa ny olona, satria dia na ny manam-pahefana any amin’ireo toerana alehany aza dia voalaza avokoa. Nisy mihitsy aza ny peta-drindrina ofisialy. Nony afaka tamin’ny fitsapàm-pahaizana ireo olona, dia nitakian-dry zareo vola, manodidina ny roa hetsy ariary eo. Amin’izay mantsy, hono, vao afaka manaraka ny fiofanana alohan’ny tena hidirana miasa. Ary dia rafitra nandoa io vola io ireo afaka. Ao ny ampahany fotsiny, noho ny tsy fahampian’ny enti-manana, saingy noraisin-dry zareo avokoa izany. Nahatratra teo amin’ny 35 no roboka, ary tafakatra tany amin’ny roa tapitrisa latsaka tany no azon-dry zareo ireo. Ny zoma sy sabotsy teo no tokony hanomboka ilay fiofanana. Tsy tonga anefa ireto mpifankatia ireto, sady tsy azo an-tariby intsony. Izay vao samy taitra ny rehetra, ka nampiantso ny zandary tao Andriampamaky izy ireo. Fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny zandary no nahatratrarana ireto mpifakantia mpisoloky ireto teny an-tranony teny Itaosy. Niaky ny heloka vitany izy roa ireto ary natolotra ny Fampanoavana avy hatrany omaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser