- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazondandy : Fanafihana tsy tanteraka, jiolahy iray voasambotra

Ankazondandy : Fanafihana tsy tanteraka, jiolahy iray voasambotra

Telolahy izy ireo fa ny roa tafatsoaka, ny iray voaasambotra. Zava-maranitra sy ody gasy maromaro no hita tao anatin’ny entany, rehefa nosavain’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andriampamaky ny tenany, ny alarobia hariva lasa teo.

Nandeha tokoa ny feo ny harivan’ny alarobia lasa teo fa misy dahalo mihaodihaody tao Antsahatanteraka, kaominina Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, izay mikasa hanao fanafihana. Telolahy izy ireo, izay tena nampiahiahy ny mponina tanteraka. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andriampamaky taorian’ny fampandrenesana. Tsy niandry ela tokoa dia tsikaritra ireto olona nampiahiahy ireto ary niroso tamin’ny fisavàna azy ireo mpitandro filaminana. Vaky nandositra avy hatrany anefa izy ireo ary nifanenjehana. Ny iray ihany no voasambotra teo, fa tafaporitsaka ireo namany, hoy ny vaovao azo. Nentina natao andrimaso avy hatrany moa ity farany mba hatao famotorana. Ny fisavàna ireo entana teny aminy moa no nahitàna karazan-java-maranitra, toy ny famaky sy kalaza ary ody gasy marobe. Nisy karapanondro teny aminy, niaraka tamin’ny taratasy filazàna fivoahana ny fonja ny andron’ny 17 novambra lasa teo. Tao anatin’ny fanadihadiana dia nilazalaza ny momba ireo namany tafatsoaka izy avy eo, izay voalaza fa samy monina any amin’ny kaominina Beronono, distrikan’Anjozorobe avokoa, ary nilaza fa handeha hitady karama any an-drenivohitra. Araka ny fampitam-baovao hatrany anefa dia tsy tokony hisy dia halehany mihitsy any amin’ity tanàna nisamborana azy ity raha  toa ka avy any amin’io tanàna voalazany io izy ka handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Nampiahiahy tanteraka araka izany ny nahatongavany tao an-toerana, indrindra fa ny fihetsik’ireo namany, izay nitsoaka avy hatrany. Raha ny mahakasika ireto farany moa dia fantatra fa efa mandeha ny fikarohana azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici