Lehilahy iray, tombanana ho 50 taona any ho any no hita faty, natsingevan’ny ranon’i Mananara, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Fandana, kaominina Ankazondandy, tanàna iray manamorona iny làlam-pirenena fahatelo iny. Efa simba tanteraka ny razana, raha ny fampitam-baovao azo, noho izy ity nilona rano efa andro maromaro izay. Raha ny tombana, dia mety ho efa fito andro any ho any izy no tao anaty rano. Saingy io tamin’ny alahady io izy vao hitan’ny fokonolona nentin’ny rano. Tsy nisy azo namantarana azy intsony noho izany, ankoatr’ireo fitafiana teny aminy : akanjo ambony maramara sy pataloa “jeans” manga. Tsy misy mahafantatra azy rahateo ihany koa ireo fokonolona nanatri-maso ny zava-nisy ary voalaza, fa tsy mponina eo amin’io tanàna io velively ity hita faty ity. Nantsoina avy hatrany moa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana : ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandary Andriampamaky misahana iny faritra iny sy ny mpitsabo. Hatreto, dia tsy fantatra mazava na lasan’ny rano tamin’iny ora-mikija nandritra ny herinandro iny ity lehilahy ity, na olona novonoina dia navalana tany anaty rano nony avy teo. Mety tsy azo heverina ho ity farany anefa satria raha ny fampitam-baovao azo dia tsy nahitana ratra tety ivelany. Asa anefa ! Efa noraisin’ireo tompon’andraikitra an-tànana moa ny raharaha ary mandeha ny fanadihadiana. Noho ny fahasimban’ny razana, dia tsy azo notazonina natao fitsirihana ela intsony izany. Taorian’ny fitiliana am-bangovangony nataon’ireo mpitsabo, dia tsy maintsy nalevina ny razana.
m.L