Olona 20 no indray naratra navadiky ny fiara Sprinter ny alarobia teo, tamin’ny lalam-pirenena fahatelo, tao Andranovelona, Kaominina Ankazondandy ao anatin’ny Disitrikan’i Manjakandriana. Raha ny vaovao voaray, dia vokatry ny olana ara-teknika nahazo tampoka ny fiara izay teny am-pandehanana no voalaza fa fototra nahatonga ny fahavoazana. Avy hatrany dia nivarina tany an-tanimbary ilay Sprinter ary potika tsy nisy noraisina. Tsy nisy kosa anefa ny maty fa naratra avokoa ireo mpandeha 20 tao anatiny ary ny efatra tamin’ireo no fantatra fa tena voa mafy mbola miady amin’ny fahafatesana.
Eric Manitrisa
Ankazondandy – Manjakandriana : Fiara sprinter nandeha mafy nivarina an-tanimbary, olona 20 indray naratra
Articles qui pourraient vous intéresser