Tao anatin’ny fisafoana nandritra ny alina nataon’ireo pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, teny amin’iny faritra Ankazotoho Anosimahavelona iny, no nahasaromana ity fitaovam-piadiana ity. Araka ny fampitam-baovao azo, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nifanena tamin’ny telolahy mampiahiahy ireo mpitandro filaminana. Mazava ho azy fa nanatona avy hatrany ireo pôlisy vantany vao nahita azy ireo, handeha hanao ny fisavàna. Voafaritra ao anatin’ny toerana mafana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana sy ny fanafihana mitam-piadiana mantsy iny faritra iny, ka ny fisian’ireo andian’olona mibaby kitapo, vao maraim-be ireto dia efa ampy haminavinana ny maha olon-dratsy azy ireo.
Vantany vao nanatona fotsiny anefa ireo pôlisy tamin’izay dia rafitra nitsoaka izy telolahy ary ny iray tamin’izy ireo nanipy ilay sakaosy teny am-babeny. Niezaka nanenjika ireo mpanao fisafoana saingy nafenin’ny haizina sy ny elakelan-trano izy ireo. Tamin’ny fizahana ny tao anatin’ilay kitapo no nahitàna basy poleta vita gasy iray, niaraka tamin’ny bala « calibre 12 ». Avy nanao fanafihana sa nikasa hanao fanafihana ? Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireto telolahy ireto. Nogiazana kosa ireto fitaovam-piadiana ireto.
m.L