- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazotokana : Fisongonana nitera-doza

Ankazotokana : Fisongonana nitera-doza

Fiara kely roa sy môtô iray no potika tetsy Ankazotokana omaly hariva, rehefa nifandona tao anaty fiolanana. Naratra vokatry ny fifandonana kosa ilay mpitondra môtô. Araka ny filazan’ireo teny an-toerana dia fiara iray, nisongona fiara hafa teo alohany no fantatra fa nitarika ny loza. Voalaza fa mantsy fa efa ao anaty fiolanana ity fiara ity kanefa mbola sahin’ilay mpamily ihany no nisongona ilay taxi teo alohany. Tao anatin’izany rehetra izany no nisy fiara iray narahana môtô nifanena tamin’ity farany, izay mbola teo am-pisongonana, izany hoe tany amin’ny ampahan-dalana natokana ho an’iretsy voalohany. Tsy tana ny loza ary dia izao namotika fananana tao anatin’ny indray mipi-maso izao. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’izany fifandonana izany raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici