- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnkeniheny Avaradrano : Mpangalatra voasambotry ny fokonolona, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ankeniheny Avaradrano : Mpangalatra voasambotry ny fokonolona, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Efa teny am-pelatanan’ny fokonolona ity tovolahy mpangalatra iray. Soa ihany fa tonga haingana ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’Avaradrano. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka mantsy ranamana.

Tranga niseho tetsy Ankeniheny, ny faran’ny herinandro teo. Tovolahy iray, manodidina ny 21 taona teo no ho eo no voasambotry ny fokonolona teny an-toerana, noho ny resaka halatra. Amin’izao ankatoky ny fety izao tokoa mantsy dia miha-mirongatra izay tsy izy ity resaka tsy fandriam-pahelamana ity. Manararaotra ny maha-betsaka ny olona mifamezivezy ireo tontakely ary manao izay fara-heriny mihitsy hanaovana ny asa ratsiny. Teny Ankeniheny Avaradrano ity, efa leo tanteraka amin’izany asa ratsy izany ireo fokonolona ka niara-nivondrona sy tsy nanaiky lembenana intsony manoloana ireo mpanao ratsy. Ity tovolahy voasambotr’izy ireo dia tra-tehaka teo am-pangalarana mihitsy. Nisy nahita ny zava-dratsy natao ary niara-nirohotra ireo mponina hanenjika azy. Tsy lasa lavitra dia voasambotra, raha ny vaovao azo hatrany. Efa niainga aloha ny daroka sy ny vono isan-karazany. Tamin’izay fotoana izay ihany koa anefa, vantany vao naheno ny zava-nitranga ny pôlisy dia nidina avy hatrany teny an-toerana. « Hita teny an-toerana ity jiolahy ity efa notazomin’ireo mponina teny ary efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Noraisin’ny polisy ny raharaha mba tsy hisian’ny fandikan-dalàna », hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Azo heverina fa raha tsy tonga aloha ireto mpitandro filaminana ireto dia mety ho efa ny ain’ity tontakely ity no nanaraka. Nentina avy hatrany namonjy ny biraon’ny kaomisaria moa ity farany, ary noezahina nalamina ny sain’ireto mponina, tsy hirotsaka amin’ny resaka fitsaram-bahoaka, izay voararan’ny lalàna rahateo. « Efa eny am-pelatanan’ny polisy ny fanadihadiana alohan’ny hanolorana azy any amin’ny fitsarana », hoy hatrany ny filazana azo teo anivon’ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici