Ela nitoratorahana ity mpanendaka iray teny amin’iny faritra Ankerana iny, omaly. Sendran’ireo pôlisy avy ao amin’ny boriborintany fahavalo manao fisafoana mantsy izy raha iny avy nanendaka olona iny. Nifanenjahana ary voatery nanapoahana basy mihitsy araka ny fanazavàna azo. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany teo ho eo izany. Isan’ny mampikaika ny olona tokoa mantsy ny afitsoky ny mpanendaka eny amin’iny faritra iny ary ireo mpiandry taxibe harivariva no tena lasibatra amin’izany. Iny toerana iny rahateo somary maizimaizina ihany. Mpiandry taxibe iray no tratran’ity mpanendaka ity, ka lasa tamin’izany ny findainy. Niantso vonjy avy hatrany ity farany, ary sendra nisy nanohina ny antso. Tamin’io fotoana io indrindra mantsy no nanantanteraka fisafoana toy ny mahazatra ireo pôlisy. Nitsoaka avy hatrany ity olon-dratsy ity. Raikitra ny fifanenjahana ka niafara hatreny an-tanimbary mihitsy izany. Saika tsy hijanona ilay io raha tsy nanao tifitra fampitandremana ireo pôlisy hoy ny fanazavàna azo. Voasambotra ihany moa nony farany ary mbola tratra teny aminy ilay finday vao avy nangalariny. Nentina avy hatrany tany amin’ny kaomisaria ity farany nanaovana fanadihadiana. Fantatra fa efa am-pikarohana ireo namany ireo mpitandro filaminana. Araka ny efa fantatry ny rehetra mantsy, tsy mba mandeha irery izany mazàna ireo mpanendaka.
m.L