- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkililoaka : Aretina hafahafa mamono, lasa mavomavo ny vatana

Ankililoaka : Aretina hafahafa mamono, lasa mavomavo ny vatana

Misy valan’aretina hafahafa mandripaka olona maro, tsy hay hoe « tazomahery », satria mbola tsy voafaritra mazava tsara hatramin’izao, any amin’ny Kaominina Ankililoaka distrikan’i Toliary II. Raha ny loharanom-baovao dia efa hatramin’ny fotoanan’ny ranobe iny no nitranga voalohany ny aretina, ary tsy latsaky ny telo isan’andro amin’izao ny maty. Fokontany maromaro no tena lasibatra : toa an’Ambararatafaly, Andranondava, Amboboky, Antanilehibe, Anteteza ary Tranolahatry. Ireo ankizy madinika sy tanora no tena lasibatr’ity valan’aretina ity. Raha ny fitantaran’ny mponina any an-toerana amin’ny  fitrangan’ny aretina amin’ny ankapobeny. Mivonto haingana dia haingana ny ratsam-batan’ny marary, avy eo manopy mavo ny hoditra sady mitaraina marary mafy ao amin’ny hazon-damosiny. Tsy ampy adiny iray dia tsy afa-mitsangana intsony ny marary. Raha tsy voatsabo ara-potoana dia mamoy ny ainy avy hatrany.
Tazomoka mahery. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo tsy miankina iray miasa any an-toerana, dia karazana tazomoka mahery no mitranga ary ny tsy famonjen’ny mponina ara-potoana tobim-pahasalamana no mahatonga ny firongatry ny aretina malaky. Nomarihan’ity mpitsabo ity fa tsy manam-bola ahafahana mamonjy mpitsabo ny maro amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao, ary efa mihombo be ihany koa ny aretina vao mihazakazaka mamonjy dokotera ny mponina. Noho ny tsaho miely fa « lolo » na « angatra » no mamafy ny aretina tsy fanta-pototra. Manao fehy lamba mainty eo amin’ny tanany havia sy ny tongony havia avokoa ny ankamaroan’ny olona ho antoka tsy hahazoana ilay aretina, noho ny baikon’ny ombiasa.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser