Raikitra ny sakoroka tamin’ireto roalahy mpirafy voalaza fa niady sipa iray, tany amin’ny kaominina ambanivohitr’ Ankililoaka Toliara II, afak’omaly hariva teo. Raha ny vaovao voaray dia nosakanan’ny rafilahiny teny an-dalana ity tovolahy mpamboly hasy 23 taona, ary nilaza iry voalohany fa tsy ilainy manadala ny olon-tiany intsony ity farany. Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava intsony ny adin’izy roalahy, ka samy namoaka antsy teny am-balahany ireto nifanandrina. Vokany, voaletran’ ny lelan’ antsy teo akaiky ny fony ilay tovolahy 23 taona, na dia niezaka niaro tena. Lasa lalina ny fahavoazana ka atahorana mafy ny ainy amin’ izao fotoana izao. Nitsoaka kosa ilay iray nanindrona antsy azy. Ilay tovolahy efa nihoson-dra tsy lavitra ny arabe no hitana mpitondra sarety handeha hody hariva, ka ireto farany no nitondra azy namonjy tobim-pahasalamana.
Eric Manitrisa