- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkililoaka Toliara II : Zazalahy kely kilemaina 6 taona, noloaran’ny mpangala-taova ny voamasony roa...

Ankililoaka Toliara II : Zazalahy kely kilemaina 6 taona, noloaran’ny mpangala-taova ny voamasony roa  

Trangam-piarahamonina nahonena sy nampivarahontsana ny maro no niseho tany amin’ny fokontany Ankiliabo, ao anatin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara, ny zoma teo, fa zazalahy kely iray kilemaina tsy afa-mandeha vao 6 taona monja no nisy nanatsoaka tamin’ny zava-maranitra ny masony roa, ka nandriaka ny rà. Sahirana ara-pivelomana ny ray aman-drenin’ity zaza niharan’ny habibiana, ka tsy nanam-bola azo nitondra an’ity zaza nandeha namonjy toeram-pitsaboana. Vetivety moa dia niely ny vaovao, ka raha vao nandre izany ny Fikambanana Mazoto, afak’omaly, dia nandray an-tanana an’ity zaza naratra mafy noloarana maso, ary nitondra an’ity farany notsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toliara.

Hanamasinana ody mahery ! Omaly no niatrika fandidiana ilay zaza, ary mbola marefo ny fahasalamana ka mila arahi-maso akaiky, raha ny nambaran’ny mpitsabo. Nisy moa ny olona noahiahiana tamin’ity halatra taova ity. Raha ny tati-baovao voaray tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, fa efa nosamborin’ny Dinabe ity voatondro ho mpangala-taova, ary hatolotra ny mpitandro filaminana aorian’ny kabary ara-drazana tsy maintsy hatao. Mametra-panontaniana ny mpanara-baovao hoe: « nahoana no any amin’ny distrikan’i Toliara II (manamorona ny RN9) foana no isehoan’ny trangana fangalarana mason’olona tato ho ato ? » Raha ny tsilian-tsofina nandritra ny fanadihadiana natao, dia misy ombiasa izay manamasina ny ody maheriny (mba tsy ho lai-bala sy tsy ho lai-by ary manao masobe tsy mahita hono) mangalatra voamaso na zaza am-bohoka ataon’izy ireo sakafo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici