- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkilizato Mahabo : Olona 11 nalain’ny dahalo an-keriny

Ankilizato Mahabo : Olona 11 nalain’ny dahalo an-keriny

Efa mihatery ny lalan’ireo olon-dratsy amin’ny fangalarana omby. Amin’izao dia olona indray no alain’izy ireo. Ny marainan’ny alatsinainy lasa teo dia fianakaviana iray mihitsy no indray nentin’ny dahalo an-keriny tao amin’ny tanànan’Ambalakajaha, any amin’iny kaominina Ankilizato, ao amin’ny distrikan’i Mahabo iny. Soa ihany fa nandray ny andraikiny mialoha ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Morondava, nanao izay faran’ny herin’izy ireo hanavotana ireto olona.

Entina hampandry fahalemana any amin’iny faritra Menabe iny dia misy hatrany ny hetsika sy ny fisafoana tsy ankiato ataon’ireo zandary, indrindra fa ireo eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Morondava. Ny tao amin’ny tobim-paritra Ankilizato dia manao izay fisafoana tsy tapaka isan’alina izay ireo zandary, raha ny fampitam-baovao azo. Nandritra io fisafoana io, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, no nandeha ny feo misy andian-dahalo mihaodihaody eny an-toerana. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nisy antso vonjy tao amin’ny tanàna iray. Tao amin’ny fokontanin’i Mavogisa no notongavan’ireo olon-dratsy ary nalain’izy ireo an-keriny ireo fianakaviana, nahitana olona am-polony maro.

Efa nandray ny fepetra rehetra anefa ireo zandary raha vao nahare monja ny fisian’ireo andian-dahalo ireto. Vantany vao nahazo io antso vonjy io izy ireo dia nanao avy hatrany ny fanarahan-dia sy ny fanavotana ireto olona lasa an-keriny. Tsy lavitra dia nifankatratra ny roa tonta : ireo andian-jiolahy nitondra ireo olona nalain’izy ireo an-keriny andaniny, sy ireo mpitandro filaminana, nahitana ireo zandary sy ny miaramila ao amin’ny Boa Ankilizato. Raikitra ny fifampitifirana sy ny fifandonana mahery vaika. Tsy nahaleo ireo mpitandro filaminana tsara ofana anefa ireo olon-dratsy, izay voalaza fa nisy voatifitra, fa tafatsoaka ihany niaraka tamin’ireo namany. Avotra soa aman-tsara, tsy nisy nanombinana kosa tetsy andanin’izay ireo olona nalain’izy ireo an-keriny. Marihina fa nahatratra teo amin’ny fitolahy teo ireo jiolahy ary samy nirongo fitaovam-piadiana. Mbola mandeha araka izany ny fikarohana azy ireo any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici