Ity tonga amin’ilay fiteny hoe « misy raha ‘la terre’ », satria jiolahy tafiditra ao anaty fefy saika hamaky fivarotana indray no misandoka ho polisy. Tao Ankirihiry avaratra no nisehoan’ity tranga ity, raha saika hamaly faty ny sakantsakana nahazo azy ireto mpamaky trano, tamin’ny fahitan’ilay tompony fivarotana azy ireo saika hanao ny asa ratsiny tamin’ny famakiana trano. Raha ny fanazavana dia olona roa avy nirevy no nahita ireto jiolahy saika hamaky ilay fivarotana, raha nanontany ny iray tamin’ireto roa lahy dia polisy manao ny asany ny valiny; ka gaga izy roa lahy fa nanao saron-tava ireto mitona azy ho polisy. Namoaka sabatra ny iray tamin’ireto jiolahy dia nitsoaka namonjy fodiana izy roa lahy saingy nenjehin’ireto jiolahy tamin’ny sabatra. Raha tafiditra ny vavahadiny izy roa lahy dia nanidy izany ka tsy tafiditra ireto jiolahy nanenjika azy, na dia nanozingozina ilay vavahady aza. Taorian’izay dia raikitra ny antso vonjy nataon’ny mponina manodidina vokatra izany, ka raikitra koa ny fifampandrenesana nataon’ireto jiolahy tamin’ny alalan’ny toraka tafotrano, satria tsy ireo roa lahy nanenjika ilay olona fotsin izy ireo fa maromaro. Teo amin’ny efatra teo izy ireo raha ny fanazavana, fa ny roa tao anaty fefin’ilay mpivarotra, fa roa kosa taty ivelany miandry ireo mpandalo sy mpitandro filaminana mety mandalo. Vokatra izay dia nitsoaka ireto jiolahy, ilay fivarotana kosa tsy vakin’izy ireo noho ilay vy fiarovana tao anatiny. Nilaza ny mbola hiverina ireto jiolahy no sady nitsoaka ihany, ka efa manao tetikady hiandrasana azy koa ireto tompon’ilay fivarotana tsy voasokatra ity, ka ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.
Malala Didier