Hatairana an’ireo fianakaviana sy ireo olona manodidina raha nahita ireto bandy dimy lahy manao saro-tava, tonga nanafika ity tokantrano iray tao Ankirihiry avaratra P/elle 11/54 tokony tamin’ny 03ora maraina omaly alatsinainy 16 desambra. Voalazan’ny vaovao voaray mantsy dia mpanao dabokandro na bonamaro na mpividy omby ambanivolo ity fianakaviana notafihana andian-jiolahy ity. Voalazan’ny vaovao hatrany fa nitondra basy ireo dimy lahy nanao fanafihana ireto, izay tsy mbola fantatra aloha na tena basy na basy kilalao no nentina, fa noho ny tahotra ny ho faty dia nanaiky izay nambaran’ireto andian-jiolahy fotsiny no azo natao nandritra izany. Araka ny fanazavan’ny niaram-boina dia nitondran’ireto andian-jiolahy “barre à pince” ny varavara ary nesoriny tamin’izany. maromaro ny trano tao anatin’ilay fefy ka samy taitra avokoa naheno ny feo mafy nanapitsoka ilay varavarana. Tsy nisy anefa ny azon’ireo mpiray fefy natao nandritra izany, satria notohan’izy ireo vato ny ravaravan’ireo mpiray monina iray fefy amin’ity olona foatafika ity. Lasa avokoa ny vola vidin’ny omby (izay mety an-jatony tapitrisa ariary) avy nalaina teny ambanivolo ka namidy teto Toamasina nandritra izany. Raim-pianakaviana iray nakan’izy ireo ny vola no naratra nandritra izany, ary mbola nandrahona ireo andian-jiolahy fa izay mahasy mivoaka eo dia maintsy ho faty. Vao nahazo ny vola notadiavany ireo andian-jiolhy dia lasa nitsoaka izay tsy hay ny lalana nandehanany noho ireo fianakaviana tsy afa-nihetsika, nefa manodidina tsy afa-nivoaka nijery ihany koa. Ny maraina vao samy nanaitra ny mpitandro filaminana ireo niharan’ny fanafihana nilazany ny zava-nisy nahazo azy ireo.
Malala Didier