Raha ny famakiana trano ataon’ireo antsoina hoe “Bob”, izay zatra nangalatra solika teo anivon’ny orinasa Sogea, orinasa efa nikatona noho io halatra solika be loatra tao aminy io ankehitriny, no mirongatra eto Toamasina. Tsy mifidy trano vakiana intsony izy ireo mandritra izany. Ny alakamisy hariva teo tokony tamin’ny 04 ora latsaka 20 min tany ho any dia nisy nanafika ny orinasa mikirakira tahirim-bola madinika “Cecam” Ankirihiry avaratra eto Toamasina. Lasa tamin’izany ny vola 16 tapitrisa ariary izay voalazan’ny vaovao fa volan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa, saingy anjaran’izy ireo no manome azy amin’ny alalan’ny fifanarahana araka asa teo amin’ireo orinasa ireo. Raha ny fanazavana dia andian-jiolahy valo mitondra moto scooter efatra nitondra basy PA avy no nanafika azy ireo. Ny dimy tao anatin’ny “Cecam”, ny telo kosa teny ivelany niandry ny moto sy nanara-maso izao mety hiditra. Tsy nisy ny poa-basy nandritra izany saingy taorian’ny fahazoana ny vola 16 tapitrisa ariary dia nitsoaka samy nanao taingin-droa tamin’ireo moto scoter efatra efa teo ivelany izy rehetra. Tsy tontosa izao fanafihana izao raha ny fanazavana azo, raha tsy misy mpiasa tao amin’ity “Cecam” ity niray tsikombakomba tamin’ireo andian-jiolahy. Ankehitriny ary dia misy mpiasa roa heverina ho mpiray tendro tamin’izany, saingy eo am-panangonana ny vaovao marim-pototra momba izany ny mpitandro ny filaminana izao. Na haingana ihany aza ny fahatongavan’ny polisy raha vao naheno ny antso vonjy nataon’olona nahita ny zava-nisy, dia haingam-piasa amin’ny fanafihana fanaony koa ireto andian-jiolahy ka na efa nokarohina eran’ny tanana sy tao ankirihiry aza tsy hita intsony ny nisy azy ireo. Ankoatra izany firongatry ny tsy filaminana amin’ny vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana izay, dia hanao ny ‘herinandron’ny filaminam-bahoaka” ny zandary vondrom-pileovana Atsinanana manomboka ny 02 aprily ho avy izao, ka hisy “operation” tsy an-kitsitsy mandritra izany. Hampiasa ireo fitaovana eo aminy ny zandary mandritra izany, indrindra fa ho an’ireo mpisangy mpitandro filaminana amin’izao.
Malala Didier